Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako

Ho toy ny emboka eo imasonao anie
Ny fivavahako,
Moa ny tanako misandratra,
Ho fanati-takariva.

(Sal. 140)

1 O ry Tompo, antsoiko ianao, mba faingàna  ka tongàva,
 Raha asandratro ny feoko, mba henoy re  izany antsoko.
 
2 Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako,
 Moa ny tanako misandratra ho fanati-takariva.
 
3 Koa mba ametraho mpiambina ny vavako, ô ry Tompo,
 Ny varavaran'ireo molotro ambeno sy arovy.
 
4 Aza avelanao hirona hankamin'ny ratsy izany foko,
 Ary aza avelanao hivarilavo amin'ny ota.
 
5 Eny, aoka tsy hiaraka amin'ny ratsy izany tenako,
 Ary izay hafinaretany, enga anie mba tsy handramako.
 
6 Aoka hikapoka ahy, hananatra amin'ny fony ny olo-marina,
 Fa izany, diloiko tsy holavina eo an-dohako.
 
7 Amin'izay ny fivavahako tsy atsahatro mihitsy,
 Dia hiampanga sy hitory ny asa ratsin'izy ireo.
 
8 Dia ilay Vatolampy mafy no hitsara azy ireo,
 Izay faly raha nandre ny fitarainako nanao hoe:
 
9 "Toy ny tany izay asaina ka mivava sy mitresaka
 Ny taolanay izay naely teo am-bavan'ny Seoly".
 
10 Fa ianao no andrandrain'ireto masoko, ô ry Tompo!
 Akaikinao no fialofako: aza afoy izany aiko.
 
11 Ka arovy amin'ny fandrika amandrihana ahy ny tenako,
 Ary amin'ny longoan'ny mpisaina teti-dratsy.
 
12 Koa ny saotra asandratray re mba raiso, ô ry Ray;
 Tsy navelanao hotanan'ny Seoly ny Zanakao.
 
13 Fa natsanganao ho Tompon'ny tontolo sy Mpandresy
 Ary ny Fanahy no anomezanao ny fiainana ho anay.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 501
Fihirana Hasina p. 492
Vavaka sy Hira p. 817
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127