Ho sahala amin'Andriamanitra

Ho sahala amin'Andriamanitra isika (indroa)
Fa hahita azy an-karihary... (indroa) (1Jn. 3, 2)

(Sal. 10)
 
1 Ny Tompo no ifefeko: ka ahoana ny aiko
 No jokoinareo sy atao fanenji-pody?
 
2 Indro ny ratsy fanahy
 Fa mandray tsipìka;
 
3 Asiany zana-tsipìka ny tadiny
 Hitifirana an-takona ny mahitsy fo!
 
4 Tsy misy lalàna intsony!
 Ka inona no hanjò ny olo-marina?
 
5 Ny Tompo ao an-tempoly masina;
 Ny Tompo amin'ny fiketrahany any an-danitra:
 
6 Ny masony mitazana:
 Ny fijeriny mandinika ny zanak'olombelona.
 
7 Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olo-marina;
 Hàlany mainty ny mpanao an-keriny!
 
8 Vain'afo, solifara sy rivo-mahery
 No alatsany ho anjaran'ny ratsy fanahy!
 
9 Eny, marina ny Tompo; ny fahamarinana no tiany:
 Ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 28
Fihirana Hasina p. 490
Vavaka sy Hira p. 252
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089