Ho hitako i Maria Reny tsara

1 Ho hitako i Maria Reny tsara!
 Mba mamiko 'zao antenaiko 'zao.
 Ny foko faly mihevitra izany,
 Ary miventy izao hirako izao.
 
'Zao no antenaiko, ry Maria,
Ny hihaona any an-danitra aminao.
 
2 Zanany aho, satria natsangany,
 Ary nomeny hasoavam-be.
 Sorisorena ny foko mitady
 Ny Reniko mbola tsy hitako.
 
3 Ny vavako tsy mba mety ho sasatra
 Hiventy hira sy fankalazana,
 Ary ny foko tsy mahay mitsahatra
 Misentosento miantso anao.
 
4 Ny sarinao mahafaly ny foko
 Amin'izao fahoriako izao;
 Ho sambatra aho hahita anao maso
 Mandrakizay any anilanao.
 
5 Mba ela loatra izay andro hihaonana
 An-danitra any aminao, ry Maria!
 Faingàna, ry andro mahafinaritra,
 Mba hahitako 'zay Reniko 'zay!

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 132
Fihirana Hasina p. 490
Fihirana Vaovao p. 418
Vavaka sy Hira p. 589
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523