Hitondra azy ilay Zanak'ondry

Hitondra azy ilay Zanak'ondry ka hitarika azy
An-doharano velona.
Dia ho andian'ondry 
tokana ihany
sy ho mpiandry tokana.
(Jn. 10, 16; Apok. 7, 17)

(Jer. 31, 10-14)
 
1 Henoy, ry firenena, ny tenin'ny Tompo:
 Ampandreneso ny nosy any lavitra!
 
2 Ilay nampiely an'i Israely dia hanangona,
 Ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!
 
3 Eny, ry Tompo hanafaka an'i Jakôba,
 Sy hanavotra azy amin'ny tanan'ny mahery noho izy:
 
4 Ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo
 Eny amin'ny havoan'i Siôna,
 
5 Hankafý ny zava-tsoan'ny Tompo: ny vary sy ny divay,
 Diloilo, zanak'omby aman'ondry!
 
6 Ny fanahiny ho toy ny saha vonton-drano;
 Izy ireo tsy harisarisa intsony!
 
7 Amin'izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
 Ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
 
8 Ny fisaonany hampodiko ho haravoana
 Hafaliana no hatambiko ny fahoriany!
 
9 Ny fanahin'ny mpisorony hovokisako zava-matavy;
 Ny oloko hohetsahiko amin'ny zava-tsoako!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 54
Fihirana Hasina p. 487
Fihirana Vaovao p. 92
Vavaka sy Hira p. 412
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494