Hisaorana anie 'lay Andriamanitra

Hisaorana anie 'lay Andriamanitra
Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.
(Ef. 1, 3)

(1 Tant. 29, 10-13)
 
1 Hisaorana ianao, ry Andriamanitr'i Israely razanay
 Hatramin'ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
 
2 Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,
 Ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana:
 
3 Anao ny zava-drehetra:
 Na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
 
4 Anao, ry Tompo, ny fanjakana,
 Ianao manerinerina ambonin'ny tontolo!
 
5 Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
 Ianao no manapaka ny zava-drehetra!
 
6 An-tananao ny hery sy ny tanjaka
 Ny tànanao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!
 
7 Koa misaotra anao izahay, ry Andriamanitra ô,
 Ary midera ny anaranao be voninahitra!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Ankalazao ny Tompo p. 23
Fihirana Hasina p. 485
Vavaka sy Hira p. 392
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217