Henoy tsara, anaka

1 Henoy tsara, anaka, 'zao teny izao,
 Teny mahasoa, tenin-dReninao;
 Tsy mitezitra aho, fa mananatra:
 Tadidio tsara ny lazaiko.
 
Toky izao no omeko, ry Reny madio:
Hiadiako mafy hatramin'izao
Ny fomba tsy mety, ny fitiavan-tena;
Ampio àry aho, Maria Reniko.
 
2 Mamiko tokoa ny hadiovam-po:
 Ikezaho mafy mba hanananao;
 Antsoy isan'andro 'zaho Reninao,
 Aza miady irery fandrao resy.
 
3 Iriko mihitsy, irìko tokoa
 Ny handraisanao ny Eokaristia;
 Jesoa Kristy Tompo sasa-miandry anao,
 Nahoana ianao no tsy tia azy?
 
4 Mahereza tsara, hoy ny Reninao,
 Aza mety kivy, aza rera-po,
 Fa ny paradisa valin'ny natao
 Misy toeran-tsara ho anao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 135
Fihirana Hasina p. 484
Fihirana Vaovao p. 419
Vavaka sy Hira p. 590
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3017