Henoy re, Tompo ô, ny fiantsoako anao

(Sal. 26)

Henoy re, Tompo ô, ny fiantsoako anao, (indroa)
Fa tadiaviko (ny endrikao)
Sy katsahiko (ny endrikao); (indroa)
Aza afenina ahy, ry Tompo, ny endrikao.
 
1 Iaveh no Mpanazava, izy no Mpamonjy;
 Tsy misy atahorako.
 'Reo fahavalo mandroso hamely ahy
 Ho lavo sy ho resy.
 
2 Raha tafika mahery no tonga hanangana ady,
 Izaho tsy ho resy.
 Iaveh, henoy aho, henoy fa mitalaho,
 Ny endrikao no sitrako.
 
3 Ny tokiko aminao, ny heriko aminao,
 Arovy ny fanahiko.
 Toroy ny làlanao, tariho homba anao
 Sy mba hanao ny sitrakao.
 
4 Ka ireo tsy tia, zovy raha handresy,
 Fa ianao no aroko.
 Ho anao anie, ry Tompo, ny hira fiderana
 Anio, mandrakizay. Amen.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 483
Fihirana Vaovao p. 152
Vavaka sy Hira p. 265
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2027