Heni-kafaliana izany foko

Heni-kafaliana izany foko, )
Feno haravoana,                ) (feo telo samihafa)
Heni-kafaliana ny foko,      )
Sambatra aho,
Faly ny foko,
Fa handray ny Tompo. (iarahan'ny feo rehetra)
 
1 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no mofo mahavelona,
 'Zay mihinana ahy re dia ho velona mandrakizay.
 
2 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no foto-boaloboka,
 'Zay misaraka amiko dia ho maina ka tsy mba hamoa.
 
3 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no fiainanareo,
 'Zay mitoetra ato amiko dia honenako mandrakizay.
 
4 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no lalan-kombàna,
 'Zay manaraka ahy re dia ho tody any an-danitra soa.
 
5 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no fahamarinana,
 'Zay mihaino ahy re dia hahita ny fahazavana.
 
6 Izy ilay nilaza hoe: 'Zaho no hany fiadanana,
 'Zay mitady ahy re dia ho sambatra mandrakizay.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 482
Fihirana Vaovao p. 165
Vavaka sy Hira p. 491
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009