Heloka no baikon'ny olon-dratsy

Izay manatona ahy tsy mba ho faty,
Izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony. (Jn. 11, 26. 6, 35)

(Sa. 35)

1 Heloka no baikon'ny olon-dratsy ao am-pony
 Tsy misy tahotra an'Andriamanitra eo imasony!
 
2 Mandoka tena anakampo izy;
 Ataony fady ny mieky hadisoana.
 
3 Ny tenin'ny vavany: heloka sy fitaka;
 Izay fahalalana na fanaovan-tsoa: nofy azy!
 
4 Heloka no saintsaininy
 Hatreo am-pandriana!
 
5 Ny fanao tsy mety no ifikirany;
 Tsy mba dison'ny manao ratsy izy!
 
6 Tompo ô, hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao;
 Mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!
 
7 Toa vohitra mideza ny fitiavanao ny rariny;
 Hantsam-be ny fitsarànao!
 
8 Vonjenao, ry Tompo, na olona na biby!
 Sarobidy toy inona ny hatsaram-ponao!
 
9 Ny zanak'olombelona, ry Andriamanitra ô,
 Mialoka ambany elatrao.
 
10 Mivoky amin'ny menaky ny tranonao
 Hetsaky ny hafinaretana mandriaka!
 
11 Fa ao aminao ny loharanon'ny fiainana;
 Ny hazavanao no hahitanay hazavana.
 
12 Mbola anehoy hatsaram-po izay mahalala anao;
 Ny fahamarinana, izay mahitsy fo!
 
13 Tsy hanosy ahy anie ny tongotry ny mpiavonavona,
 Na hanosika ahy ny tanan'ny ratsy fanahy!
 
14 Indreo ny mpanao ratsy fa midaboka:
 Naronjina ka lavo ankavia!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 481
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0639