Hankany amin'iza izahay?

Hankany amin'iza izahay, Tompo ô,
Hankany amin'iza izahay? (Jn. 6, 68)

(Iz. 45, 15-26)
 
1 Marina tokoa fa Andriamanitra miafina ianao
 ry Andriamanitr'i Israely, ry Mpamonjy.

2 Azon-keloka sy mangaihay ny fahavalony rehetra!
 Lasa amim-pahafaham-baraka ny mpamboatra sampy.

3 Famonjena mandrakizay kosa
 No amonjen'ny Tompo an'i Israely.

4 Tsy ho menatra ianareo na hangaihay
 Mandrakizay mandrakizay! 

5 Eny, izao no lazain'ny Tompo,
 Ilay nanao ny lanitra,

6 Ilay Andriamanitra namboatra ny tany,
 Ilay nahavita azy sy nandraikitra azy:

7 Tsy nanao azy tsy misy endrika,
 Fa nanao azy ho azo onenana:

8 Izaho, hoy izy, no Tompo.
 Ary tsy misy hafa.

9 Tsy niteny an-takona aho
 Na tany amin'ny helo toera-maizina.

10 Tsy niteny tamin'i Jakôba hoe:
 Mitadiava ahy, nefa aza mahita!

11 Tompo milaza ny marina aho,
 Sy manambara ny mahitsy.

12 Mivoria, tongava, manatòna
 Avia, ry tsy matin'ireo firenena!

13 Adala ny olona manaja hazo nosokirina
 Sy mivavaka amin'andriamani-tsy mamonjy.

14 Ambarao, asehoy, iaraho midinika:
 Iza no mahalaza mialoha ny ho avy?

15 Moa tsy izaho Tompo?
 Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy izaho?

16 Izay Andriamanitra marina sy mahavonjy:
 Tsy misy ivelako!

17 Mitodiha atý amiko mba ho voavonjy,
 Ry mponina rehetra amin'ny tany:

18 Fa izaho no Andriamanitra,
 Ary tsy misy hafa!

19 Efa nianiana tamin'ny Tenako aho
 Marina miloaka ny vavako, teny tsy mimpody?

20 Fa izaho no hileferan'ny lohalika rehetra,
 Sy hianianan'ny lela rehetra hoe:

21 Ao amin'ny Tompo irery ny hery sy ny rariny,
 Hanatona amin-kenatra izay manohitra azy!

22 Ny Tompo no hampahazo rariny sy rehareha
 Ny taranak'i Israely tontolo!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 65
Fihirana Hasina p. 479
Vavaka sy Hira p. 407
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0252