Hankalazaina anie i Masina Maria

1 Hankalazaina anie i Masina Maria,
 Mpanjakavavin'i Madagasikara.
 Hankalazaina eran'ny Nosy
 Ary hoderaina hatraiza hatraiza.
 
Ry Reny be fitia, henoy ny antsonay,
Ny antsonay zanakao rehetra:
I Madagasikara sy izao tontolo izao.

2 Ny fahasoavam-be nafafinao,
 Nafafinao eran'ny Nosinay
 Mitory sy milaza aminay
 Ny fitiavam-be am-ponao ho anay.
 
3 Misosa miakatra ny fandrosoana,
 Ny fandrosoana zava-tsarobidy
 Irina mafy mba tsy hivaona
 Ka matoky anao isan'andro izahay.
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 478
Vavaka sy Hira p. 603
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094