Handray ny Fanahy

1 Handray ny Fanahy ianareo, avia re
 Izany no tenin'ny Tompo,       avia re
 Ka izy hampianatra anareo,   avia re
 Ny fahamarinan-drehetra       avia re
 
2 Omeko anareo ny Fanahiko...
 Hitoetra ao anatinareo;
 Fanahy vaovao no omeko
 Hampihavana anareo zanaka.
 
3 Raha tonga ny Mpanafaka alahelo...
 Hirahiko avy amin'ny Ray,
 Fanahin'ny fahamarinana:
 Izy no hanambara ahy.
 
4 Raha misy olona tia ahy...
 Hitandrina ny teniko izy;
 Ka ho tia azy ny Raiko,
 Ary honina ao aminy izahay.


 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 478
Fihirana Vaovao p. 153
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0297