Hanaraka anao aho, ry Tompo

(Mk. 10, 17-31)

1 Hanaraka anao aho, ry Tompo,
 Ka inona no tianao hataoko?
 Tandremo ny didy rehetra,
 Manaova ny marina hatrany.
 Raha tianao ny ho sambatra marina,
 Amidio 'reo fanananao;
 Dia avia, avia manaraka ahy.
 
Niantso ahy ianao, nifidy ahy ianao,
Ho mpianatrao, ry Kristy Tompo.
Hahay hanambara ireo hafatrao,
Ho vavolombelona mendrika.
Hanaraka anao aho, ry Tompo,
Hanan-drakitra an-danitra any.

2 Raha te ho mpianatro ianao,
 Zakao ny hazofijaliana:
 Hipetraka anilako ianao,
 Hifaly satria nasandratra
 'Zay handao ny ray aman-dreniny
 Noho ny anarako masina indrindra,
 Dia handova, dia handova ny fiainan-ko avy.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 475
Fihirana Vaovao p. 534
Vavaka sy Hira p. 785
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094