Hamelona antsika

Hamelona antsika e Andriamanitra e!
Hitantana, hitsimbina sy hitsodrano! (indroa)
Hamelona antsika e Andriamanitra e!
Hitantana, hitsimbina sy hitsodrano izy e!
 
1 Ity tany ity dia tranon'Andriamanitra
 Nomena ny olona hanjakany sy hivelomany,
 Ka afaka matoky ny ankohona'Andriamanitra.
(Jen. 1. Lev. 26, 11-12. Ez. 37, 26)
 
2 Ny etý amintsika sahan'Andriamanitra
 Nomena ny olona hivelomany, hamokarany,
 Ka afaka mitsiry izay nafafin'Andriamanitra.
(Jen. 2, Jn. 15, 1-8, Ap. 2, 7)
 
3 Fa eto amintsika ny hazon'Andriamanitra
 Nomena ny olona hamokarany, hialofany,
 Ka afaka mandrobona ny hazon'Andriamanitra.
(Jen. 3. Gal. 2, 19. 25-27. 24)
 
4 Ity tany ity fonenan'Andriamanitra
 Nomena ny olona hialofany, hiadanany,
 Ka afa-manantena 'zany zanak'Andriamanitra.
(Ef. 3, 19, Jn. 1, 14, Ap. 21, 1-3.  Ap. 22,2)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 474
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113