Haingàna re, ry fo be alahelo

1 Haingàna re, ry fo be alahelo,
 Mba hanamaivana ny fanahinao,
 Miandrandrà jereonao i Jesoa,
 Fa izy mahay mampionona ny fonao. (indroa)
 
 Indro ny Fon'i Jesoa ho fialofantsika,
 Ao no hahitantsika ny fiadanam-po.
 
Haingàna  isika hanatona
Ny fon'ny Tompontsika,
'Zay feno hasoavana
Ilain'ny fo rehetra.
 
2 Ry Tomponay, mba maminay ny Fonao,
 Fa tsara loatra hatao fonenanay:
 Aoka ny fonay hitoetra am-ponao, Jesoa,
 Etý an-tany sy any an-danitra any... (indroa)
 
 Ry Fo Masin'i Jesoa, kiadinay ianao:
 'Zahay tariho làlana hanao 'zay tianao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 472
Vavaka sy Hira p. 572
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092