Fon'i Jesoa, loharano tsy ritra

1 Fon'i Jesoa, loharano tsy ritran'
 Ny fiantrana sy ny hamoram-po:
 Ao aminao no misy ny harena
 Hozarainao aminay zanakao.
 
Fon'i Jesoa,
Fo tia anay,
Matoky anao 'zahay. (indroa)
 
2 Fo nahafoy ny ainy ho antsika
 Sy mpanome izay antenaintsika.
 Valiontsika fitiavana izy.
 Izany ihany no ilainy amintsika.
 
3 Ry Jesoako, tsy lany fanomezana,
 Eo ambonin'ny ôtelinao;
 Eo ianao no miandry anay e,
 Mba lehibe ny hasambaranay.
 
4 Ny Tenanao mitoetra amin'ny lapa
 Hahasoa anay sy hihaino anay,
 Ho soronay sy mpanalala-masina:
 Saotra sy dera havalinay anao.
 
5 Tsy resy va ny ditranao, fo ratsy?
 Tsy ekena izay irìn'ny Fony?
 Dinihonao ny nataony rehetra,
 Tsy ampy va ny nataony ho anao?
 
6 Avia atý, ry fo mazoto tsara,
 'Zay zakanao tanteraho izao;
 Ka ny fonao ataovy maim-pitia
 'Zany no aoka hatao mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 470
Vavaka sy Hira p. 571
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093