Fo masin'i Jesoa Mpamonjy

1 Fo masin'i Jesoa Mpamonjy,
 Mba mamindrà fo aminay.
 Izahay manatona anao e,
 Misokafa handray anay.
 
Ry Jesoa, feno fitiavana,
Mba ekeo ny vavakay;
Miankina aminao 'zahay e,
Fa ny Fonao no rovanay. (indroa)
 
2 Ny fahefanao asehoy,
 Ka aza foinao mandrakizay:
 Fa tariho 'zay mifaninana
 Sahy miady ho anao.
 
3 Ary rahefa tafahaona
 Any an-danitra aminao,
 Izahay rehetra hidera
 Ny hasoavan'ny Fonao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 469
Fihirana Vaovao p. 405
Vavaka sy Hira p. 570
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009