Finaritra tokoa ny olona

1 Finaritra tokoa ny olona manompo tsara an'i Maria,
 Izay mandao ny hadalana fanaon'izao rehetra izao.
 Sambatra izay manaraka azy mandra-pahalanin'ny aina,
 Tsy very fiadanana izy, ka ho be hadiovam-po.

 
2 Ny voninahitrao, mpanota, hiala faingana aminao,
 Fa izay manompo ny Virjiny, mandray ny valin'ny nataony.
 Faly sy miramirana izy, miadana sy matoky fo,
 Fa te ho any an-danitra izy, ka ravo izy tapitra aina.

 
3 Ry Reny feno hasoavana, manjakà ao anatinay,
 Ka ataovy arahinay tsara ny fananaranao anay.
 Ny hadiovanay alofy ao ambanin'ny elatrao,
 Ary izahay tariho làlana ho any an-danitra aminao.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 131
Fihirana Hasina p. 466
Fihirana Vaovao p. 415
Vavaka sy Hira p. 573
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0554