Fanantenana

Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny, etý sy any am-paradisa.
 
1 Tozoy hatrany ny làlanao fa ho zary hafaliana ô ô ô
 Lanjao ny fijaliana! iareto am-pifaliana
 Fa hanosika hatrany ny vavaka atao!
    Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala ô
    'Reo manantena ny hasambarana!
    Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala ô
    Fa hahasoa azy no nahatonga izany.
 
2 Fo feno hafaliana, fiadanana hatrany,
 Ny haizina aza hazava ô ô ô
 Hanjary lohataona ny andro ririnina
 Sikino hatrany ny fanantenana!
    Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala ô
    'Reo manantena ny hasambarana!
    Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala ô
    Fa hahasoa azy no nahatonga izany.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 464
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1281