Faly izahay, Virjiny Masina

1 Faly izahay, Virjiny Masina,
 Fa mankatý an-tranonao
 Mba hitsaoka an'i Jesoa
 Sy hangataka aminy,
 Fa fantatrao, Reny malala,
 Ny halemen'ny tenanay.
 
 Koa mifona izahay
 Mba iantrao ny zanakao.
 Ny vavakay, ny sentonay;
 Mba ento re amin'i Jesoa
 Ny vavakay, ny sentonay;
 Mba ento re an-danitra any
 Amin'i Jesoa Zanakao.
 
2 'Zay tia anao, Reny malala,
 Tsy hain'ny Zanakao nariana;
 Koa 'zahay tsy mba handao anao
 Fa hialoka ambany elatrao.
 Ho faly fo 'zahay hahita
 Ny tavanao rahefa tafita:
 
 Hireondreona ny hiranay
 Arahin'ireo Anjely alinalina,
 Hihoby an'i Jesoa Zanakao
 Eo ambanin'ny elatrao, ry Reny,
 Hihoby an'i Jesoa Zanakao
 Eo ambanin'ny elatrao, ry Reny,
 Mandrakizay rahatrizay.
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 461
Vavaka sy Hira p. 578
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1783