Fa sarotra ho an'ny mpanankarena

Fa sarotra ho an'ny mpanankarena ny miditra e,
Ny miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra. (Lk. 18, 24)

(Sal. 48)
 
1 Ny olona manko raha manan-kaja,
 Tsy azony veroka akory izany
 Ka mova tsy biby tsy manan-tsaina.
 
2 Jereo ny hanjò 'reo matoky tena,
 Ny lozan'izay minomino foana;
 Toa ondry mitoby mba hovonoina.
 
3 Hiraotra any am-pasana toy ny maty;
 Mba mailaka erý izy midina any,
 Ny endriny hanjavona mora foana.
 
4 Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy,
 Vonjeny amy fahafatesana aho;
 'Zay manan-karena, aza dia ahina.
 
5 Raha tany misondrotra manan-daza,
 Angaha ny hareny manaraka azy?
 Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?
 
6 Endrey 'zany lazany teo aloha,
 Nohasohasoiny any an-tampon-doha;
 Izao tafaray amy Razany izy.
 
7 Tsy hahita mazava mandrakizay
 Izany tokoa e ny manan-kaja,
 Dia miova tsy biby tsy manan-tsaina!
 
8 Hisaotra ny Tompo mpitsara isika,
 Ny Zanany ohatra ho antsika,
 Fanahiny harena nomeny antsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 118
Fihirana Hasina p. 458
Vavaka sy Hira p. 287
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.064