Ny hanao ny sitraponao

Ny hanao ny sitraponao e no sitrako,
(Andriamanitra ô)
Ny hanaraka ny làlanao e no mamin'ny foko.

(Sal. 39)
 
1 Eny, sambatra 'zay matoky anao
 Sy nofidinao ho mandrakizay.
 
2 Andriamanitra ô, tsy ankasitrahanao
 'Reo sorom-be, koa intý aho.
 
3 Dia hifaly endrey, sy hiravo aminao
 'Reo milaza hoe: "Lehibe ny Tompo".
 
4 Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy:
 Mba herezo re 'zany diako.
 
5 Ny hatsaram-ponao sy ny fahamarinanao
 Aoka hiaro ahy, ry Andriamanitra ô.


 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 449
Fihirana Vaovao p. 66
Vavaka sy Hira p. 277
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092