Eny, mahatoky Andriamanitra

Eny, mahatoky Andriamanitra
'Zay niantso antsika hiray amin'ny Zanany,
Dia i Kristy Tompontsika. (1Kor. 1, 9)

(Sal. 76)
 
1 Mankamin'Andriamanitra ny feoko:
 Ho henony hatrany ny tarainako;
 Rah'ory aho, ny Tompo no tadiaviko,
 Ny Tompo no antsoiko amin'ny alina.
 
2 Ny tanako asandratro matetika,
 Kanefa tsy mba sasatra na vizana,
 Satria tsy miato ny fanahiko,
 Mitady 'zay hanala ny alahelony.
 
3 Misento fa tsaroana Andriamanitra,
 Ny saina tsy ilaozan'eritreritra,
 Ny masoko tsy sasatra mihiratra,
 Ny vavako no vahotra hivolana.
 
4 Ny andro sy ireo taona efa lasana
 Vetsoiko mangina nony alina.
 Handao ahy tokoa ve ny Tompoko?
 Ariany tsy tsaroany ve ny teniny?
 
5 Ny miantra ve hadinon' Andriamanitra?
 Ny fony ve ho voahidin-katezerana?
 F'izao no mankarary ny ato anatiko:
 Niova, ho'aho, ny herin'izy Tompoko.
 
6 Tsarovako ny asa mahatalanjona
 Narafitry ny tanan' izy Tompo;
 'Reo asa vitanao, Andriamanitra ô,
 Dia tena mahagaga ny fisainako.
 
7 Ny lalanao no masina, Andriamanitra,
 Tsy misy toa anao 'reo andriamanitra;
 Nahefa be ianao ka mahatalanjona:
 Niaiky ny herinao tokoa ny olona.
 
8 Vahoakanao nahazo fanavotana,
 I Jakôba sy i Zôzefa sy ny zanany.
 Nahita anao ny rano, Andriamanitra,
 Nahita anao ka indro tora-kovitra.
 
9 Ny hantsana avy koa no nihovitrovitra,
 Ny rahona nandatsaka ny orany,
 Nanandra-peo tsy satry ny habakabaka:
 Tsipìka marobe nifanaretsaka.
 
10 Ny varatra injao mitalakotroka;
 Nazava ny tontolo noho ny tselatra,
 Ny tany taitra erý ka nihozongozona
 Fa zary làlanao ny ranomasina.
 
11 Dia làlana any anaty rano lalina,
 Ka sarotra zohina, ts'hita soritra,
 Kanefa ny olona tsy very làlana,
 I Môizy sy i Arôna no filohany.
 
12 Andeha isika hanolotra fisaorana
 Ny Ray 'zay tsy mivadika amy Teniny,
 Ny Zanany nitondra fanavotana,
 Dia antoka ho antsika ny Fanahiny.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 123
Fihirana Hasina p. 448
Vavaka sy Hira p. 303
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094