Eny e, ny lalan'olombelona

1 Eny e, ny lalan'olombelona etý an-tany etý
 Avy amin'Andriamanitra e, eny e,
 Avy amin'ilay Nahary e, eny e,
 Hankamin'Andriamanitra e, eny e,
 Hitody an-tranon-dRay e, eny e!
 Kanefa:
Ny jamba, ny mandringa, ny marenina va re)
Mba afaka hizotra ka ho tody marina any e?) (indroa)
 
Miaiky e, miaiky re 'zahay
Fa dia mpanota, Tompo ô,
Matoky kosa anefa fa ianao no làlanay,
Ianao no fahamarinana ary koa fiainanay e.
 
2 Eny e, ny fahamarinantsika raha etý an-tany etý,
 Avy amin'Andriamanitra e, eny e,
 Avy amin'ilay Nahary e, eny e,
 Hankamin'Andriamanitra e, eny e,
 Hitody an-tranon-dRay e, eny e!
 Kanefa:
Ny moana, ny malemy sy ny very saina ve           )
Mba afa-manantena 'zany marina any izany e?) (indroa)
 
3 Eny e, ny fiainan'olombelona etý an-tany etý,
 Avy amin'Andriamanitra e, eny e,
 Avy amin'ilay Nahary e, eny e,
 Hankamin'Andriamanitra e, eny e,
 Hitody an-tranon-dRay e, eny e!
 Kanefa:
'Reo Havana marary sy ireo maty koa va re      )
Mba akafa higoka 'zany fiainam-bao izany e?) (indroa)

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 147
Fihirana Dera p. 205
Fihirana Hasina p. 444
Vavaka sy Hira p. 549
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0447