Eny, arahaba, ry Maria

Eny, arahaba; eny, arahaba, ry Maria,
Renin'ny Tompo ka Reninay,
Nosoavina anie ianao e!
Mpanjakavavy, mpanjakavavin'i Pangalana ô,
Mivavaha ho anay, nosoavina anie ianao e!
Ny mpianakavy, ny mpianakavy sy 'reo tanàna
Tsofy rano ka anjakao, nosoavina anie ianao e!
 
Ry Reninay ô, henoy 'zahay e!
Mpanjakanay ô, vonjeo 'zahay e!
 
1 Halaviro anay e ny rivo-doza         )
 Ka ho resinay anie                          ) (indroa)
 Ny onjam-piainana an-tany etoana. )
      Ry Reninay ô, henoy 'zahay e!
      Mpanjakanay ô, vonjeo 'zahay e!
 
2 Fa renirano no làlanay               )
 Ary lakan-kely anie                      ) (indroa)
 No fitaovana enti-mamelon-tena. )
      Ry Reninay ô...
 
3 Kristy Mpamonjy no mpanamory:      )
 'Zay miaraka aminy e                         ) (indroa)
 Hoentiny hitody any an-tanindrazana.)
      Ry Reninay ô...
 
4 Ny tanimbary, ny saha maro )
 Ho vavolombelona e              ) (indroa)
 Toy izany koa ny taranakay.  )
      Ry Reninay ô...
 
5 Ny mpanarato sy 'reo mpiandriaka )
 Ombao fitiavana e                          ) (indroa)
 Fa manohy ny asan'ny Apôstôly.      )
      Ry Reninay ô...
 
6 Raisinay anio ianao ho an-tranonay:)
 Indray andro any re                          ) (indroa)
 Mba raiso 'zahay ho an-dapanao.       )
      Ry Reninay ô... 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 443
Fihirana Vaovao p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109