Efako ny zavatra rehetra

Efako ny zavatra rehetra
miaraka a
min'ilay mankahery ahy! (Fil. 4, 13)

(Jodita 16, 13-17)

1 Hihira hira vao ho an'ilay Andriamanitra aho!
 Tompo ô, lehibe sy be voninahitra ianao.
 
2 Manan-kery mahagaga:
 Ary tsy misy mihoatra anao!
 
3 Ny voaarinao tontolo anie hanompo anao
 Fa niteny ianao, dia nisy ireny.
 
4 Nalefanao ny fanahinao, dia voaorina ireny
 Ary tsy misy mahatohitra ny feonao!
 
5 Na hihovitra aza ny rano,
 Ny vohitra amam-panorenany,
 Na hiempo toa savoka anoloanao
 Aza ny vatolampy.
 
6 Ianao antra fo lalandava
 Amin'izay matahotra anao!
 
7 Tsinontsinona aminao ny sorona
 Sy ny fofony manitra,
 Tsy mahafa-po anao ny tavin-kena izay dorana:
 
8 Fa lehibe lalandava amin'ny Tompo kosa
 Ny olona izay matahotra azy!
 
9 Lozan'ny firenena mampahory ny vahoakako
 Ny Tompo mahery hanasazy azy
 Amin'ny andro fitsaràna.
 
10 Hanisy afo sy kankana ny nofony,
 Ka hijaly, hitomany izy mandrakizay!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 44
Fihirana Hasina p. 441
Fihirana Vaovao p. 87
Vavaka sy Hira p. 394
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1421