E, mangina tsy miteny ny tanàna

1 E, mangina tsy miteny ny tanàna,
 Ary singana ny tenako vesaran'alahelo,
 E, mangina tsy miteny ny tanàna,      
 Ary singana ny tenako vesaran'alahelo,
 Nefa injao misy feo mitsetra
 Toa miritsoka eo anilako!
 Moa va re ianao, ry Ray?
 Moa va re ianao, ry Ray?
      Hay, raha sina ka variana
      Ireo manodidina ahy, 
      Dia ianao tsy mahafoy
      Hay, raha sina ka variana
      Ireo manodidina ahy, 
      Dia ianao tsy mahafoy
 No mivimbina hafaliana!
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao, ry Ray!... 
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao, ry Ray!... 
 
2 Eny, tokana aho anivon'ny vahoaka,  
 Ary feno tebiteby, raiki-tahotra isan'andro,
 Eny, tokana aho anivon'ny vahoaka,  
 Ary feno tebiteby, raiki-tahotra isan'andro,
 Nefa injao misy tànana
 Izay mitehin-tsoroka ahy!
 Moa va re ianao, Jesoa?
 Moa va re ianao, Jesoa?
      Hay, raha lasa ka nandao
      Izay nataoko mba ho toky,
      Dia ianao tokoa, Razoky,
      Hay, raha lasa ka nandao
      Izay nataoko mba ho toky,
      Dia ianao tokoa, Razoky,
 No hany sisa tsy manary!...
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao Jesoa!...
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao Jesoa!...
 
3 Ao anatin'ny mangidy izany izaho,
 Ahy irery manko izany tsy mahita 
 Ao anatin'ny mangidy izany izaho,
 Ahy irery manko izany tsy mahita 
 An'iza an'iza,
 Nefa injao tsio-drivotra,
 Toa mamelombelona ahy!
 Moa va re ianao, Fanahy?
 Moa va re ianao, Fanahy?
      Hay, raha tojo onjam-piainana
      Mandrendrika, mahory,
      Dia ianao no Fitiavana,
      Hay, raha tojo onjam-piainana
      Mandrendrika, mahory,
      Dia ianao no Fitiavana,
 Izay tonga mampitraka!
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao Fanahy!...
      Hay va re, hay va re ianao...
      Hay va re, ianao Fanahy!...
 
Hay va re, Andriamanitra ô,
Ray, Zanaka sy Fanahy!
Hay va re, Andriamanitra ô,
Ray, Zanaka sy Fanahy!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 430
Fihirana Hasina p. 436
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092