Dibo-kafaliana ny ray

Dibo-kafaliana ny ray
Manan-janaka masin-toetra,
Feno haravoana tokoa rainao sy reninao,
Hientan-kafaliana anie ireo niteraka anao.
(Oh. 23, 24-25)

(Sal. 83)

1 Endrey mahatamana ny fonenanao,
 Ry Tompo Andriamanitry ny hery rehetra:
 Ny fanahiko manembona ka hontsa,
 Manina ny kianjan-tranon'ny Tompo.
 
2 Ny foko sy ny tenako manontolo
 Mihendratra ho amin'ilay Andriamanitra velona:
 Ny fody avy aza nahita fonenana ao an-tempolinao,
 Ny sidintsidina nahita akany ho an-janany.
 
3 Sambatra izay monina ao an-tranonao.
 Ka tsy mitsahatra midera anao:
 Eo anilan'ny ôtelinao, ry Tompo,
 Mpanjakako sy Andriamanitro.
 
4 Sambatra izay omenao hery
 Handroso amin'ny fiakarana:
 Tazano, ry Andriamanitra Mpanao soa anay,
 Jereo ny tavan'ilay voahosotrao.
 
5 Aleo andro iray eo an-tranonao
 Toy izay arivo taona any an-kafa:
 Fa ampinga sy manda ny Tompo,
 Ilay Andriamanitra aiko sy voninahitro.
 
6 Ny Tompo tsy mandà ny hanome hasambarana
 An'izay mizotra amin'ny marina:
 Ry Tompon'ny hery rehetra,
 Sambatra ny olona matoky anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 432
Fihirana Vaovao p. 33
Vavaka sy Hira p. 310
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231