Lehibe ny Tompo ka derao, ry fanahiko - Dia hidera anao aho, ry Tompo

(Sal. 137)

Lehibe ny Tompo ka derao, ry fanahiko, derao;
Lehibe sy avo indrindra ny Tompo.
 
1 Dia hidera anao aho, ry Tompo lehibe,
 Hankalaza ny anaranao ambony indrindra.
 Sitraky ny foko ny mitsaoka anao, ry Tompo,
 Sitraky ny foko ny miankohoka aminao.
 
2 Hankalaza ny anaranao aho, ry Tompo,
 Ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao.
 Fampanantenana lehibe no nataonao,
 Mihoatra noho ny voninahitry ny anarana.
 
3 Raha mandre ny teny nolazain'ny vavanao
 Ry zareo mpanjaka, dia hidera anao tontolo
 Hankalaza ny fahendren'ny Tompo koa izy ireo:
 Lehibe ny voninahitry ny Tompontsika.
 
4 Fantany eny lavitra eny ny mpiavonavona,
 Tsinjony hatrany 'reo mahantra etý an-tany.
 Raha mizotra eo afovoan'ny fahoriana aho,
 Dia velominao indray, ry Tompo tsara fo.
 
5 E tohananao ny hatezeran'ny fahavaloko,
 Famonjena ho ahy ny tànanao, ry Tompo ô.
 'Zay nataony ho ahy dia tanterany daholo:
 Ny hatsaram-ponao mandrakizay, ry Tompo ô.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 430
Fihirana Vaovao p. 202
Vavaka sy Hira p. 376
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086