Derao i Jesoa fa nandresy

1 Derao i Jesoa fa nandresy,
 Fa lavorary izay nataony:
 Ny olombelona novonjeny
 Momba azy any an-danitra any,
 Nialany ny fanjakany sy ny lapany,
 Hanapitra ny rofintsika;
 Fa iza izay no mody ho any an-danitra,
 Hobìn'ny Anjely rehetra.
 
'Zahay te homba anao, ry Jesoa:
Alao 'zahay, alao 'zahay;
Ento 'zahay ka mba apetraho
Akaikinao, akaikinao, akaikinao.
 
2 Mba mandrosoa, ry Mpandresy,
 Idiro ny fanjakanao;
 Fa aza manadino ny tany,
 Ny firenen-drehetra nanjakan'i Satàna,
 Izay novonjenao tatý,
 Aza avelanao ho kamboty sy mahantra,
 Fa mbola mihanta aminao.
 
3 Mipetraka ankavanan-dRainy
 Izy mifona ho antsika
 Ny tanintsika no arovany
 Tsy hilatsahan'ny manjò.
 Mbola monina atý ambonin'ny ôtely,
 'Zay lapan'ny famindram-pony;
 Ao i Jesoa miandry izay te handray azy,
 Sy mandray ny fifonantsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Dera p. 118
Fihirana Hasina p. 426
Fihirana Vaovao p. 401
Vavaka sy Hira p. 707
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706