Dera anie ho anao, Andriamanitra

1 Dera anie ho anao, Andriamanitra
 Ary fankalazana, ry Tompo,
 Tena Ray tsisy fetra ianao.
 Ka hajaina eran-tany tontolo.
 
2 Ny Anjely, ny mponin'ny lanitra,
 Fahefana ary koa Kerobima
 Miaraka amin'ireo Serafima
 Dia miantsa sy mihira hoe:
 
3 Eny, masina, masina, masina
 Ilay Tompo Andriamanitry ny hery,
 Fa mameno ny tany aman-dranitra
 Ny voninahiny avo indrindra.
 
4 Ary ny Apôstôly mpandresy
 Sy ireo Mpaminany malaza
 Ary ireo Martiry iray tafika
 Mankalaza anao sady midera.
 
5 Ny Eglizy amy tany tontolo
 Mankalaza anao, ry Ray ambony,
 Sy 'lay Zanaka lahitokanao
 Miaraka amin'ny Fanahy Masina.
 
6 Ianao, ô ry Kristy Mpanjaka,
 Zanaky ny Ray mandrakizay,
 Mba hamonjy anay olombelona,
 Tsy nandà ny hatera-Birjiny.
 
7 Noresenao ny fahafatesana,
 Novohainao lanitra ny mpino,
 Ianao ankavanan'ny Ray,
 Mbola ho avy hitsara indray.
 
8 Mba ampio 'reto mpanomponao
 'Zay navotanao tamin'ny ra:
 Ampiaraho amin'ny olomasina
 Mba ho sambatra mandrakizay.

9 Dia vonjeo fa vahoaka voafidy,
 Tsofy rano fa lovanao, Tompo.
 E, tariho 'zany làlana, hatrany,
 Mba ho tojo ny mandrakizay.
 
10 Koa anio ary koa isan'andro
 Izahay dia hankalaza anao
 Ary hidera ny anaranao
 Amy taona rehetra doria.
 
11 Koa arovy izahay re anio,
 Mba sakano tsy hanota aminao,
 Amindrao fo 'zahay, ô ry Tompo,
 Eny, amindrao fo izahay!
 
12 Arotsahy aminay, ô ry Tompo,
 Ny fiantranao izay antenaina,
 Fa ianao, Tompo ô, no itokiako,
 Ianteherako mandrakizay.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fihobiana
Fihirana Hasina p. 422
Vavaka sy Hira p. 545
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2