Avia hanatona amim-pahatokiana (1)

Avia hanatona amim-pahatokiana
Ny lapan'ny fahasoavana
Mba hahazoantsika famindram-po
Sy mba hahitantsika fahasoavana.
Aleloia.
 
1 Tsy ho sasatra aho mihira
 Ny hatsaram-pon'ny Tompo;
 Hotoriko hatraiza hatraiza
 Ny fahamarinanao.
 
2 Loa-bolana aho niteny:
 Mafy orina ny fitiavana,
 Miorim-paka hatrany an-danitra
 Ny fahamarinanao.
 
3 Voninahitra anie ho an'ny Ray,
 Voninahitra ho an'ny Zanaka,
 Voninahitra mandrakizay
 Ho an'ny Fanahy Masina.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 417
Vavaka sy Hira p. 561
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2448