Avia, ry Fanahy Masina

Avia! Avia! Avia re (indroa)
Amena! Amena! Amena, Amena! (indroa)
 
1 Avia, ry Fanahy Masina รด,
 Aidino avy any an-danitra
 Ny tsirim-pahazavanao.
 
2 Avia, ry Rain'ny ory,
 Avia, ry Mpizarazara soa,
 Avia, ry Mpanazava ny saina.
 
3 Ry mpanala alahelo soa,
 Mitoera ao amin'ny fanahinay,
 Toy ny rivotsoa mamelona.
 
4 Ala sasatra amin'ny asa ianao,
 Alokaloka raha main'andro,
 Ala alahelon'ny mitomany.
 
5 Raha tsy ny herinao,
 Misy inona amin'ny olona?
 Tsisy inona afa-tsy ny ota.
 
6 Sasao izay maloto,
 Tondrahy izay karankaina,
 Sitrano izay marary.
 
7 Ketraho izay henjana,
 Hafanao izay mangatsiaka,
 Ahitsio izay meloka.
 
8 Enga anie ka hirotsaka,
 Ao am-pon'ireo matoky anao,
 Ny fanomezanao fito.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 416
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092