Tompo iray e, finoana iray e, batemy iray e

Tompo iray e, finoana iray e, batemy iray e
Andriamanitra tokana, Rain’izy rehetra.  (Ef. 4. 5-6)

1. Andriamanitra Ray sy Zanany tokana 
iray ihany e,
‘Zany no manantena antsika miantsa ny hoe;

2. Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina
tokana ihany e
‘Zany no manantena antsika miantsa ny hoe;

3. E, tsy misy mpanompo, tsy misy tompoina,
Fa tokana ihany e,
Tena iray amin’i Jesoa Kristy filoha

4. Fihavanana ‘zay manankambana anay 
amin’ny Fanahinao e,
‘Zany no mba toe-tsaina mendrika hanananay e, 

5. Fa voaantso hiaina ny fitiavanao e 
'zahay zanakao e,
 Ka ny antsa aman’hoby no ventesinay e

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 48
Fihirana Dera p. 200
Fihirana Hasina p. 725
Fihirana Vaovao p. 248
Vavaka sy Hira p. 648
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103