Tanora katôlika mandray andraikitra

Tanora katôlika mandray andraikitra
Mitondra fivoarana sy fiadanana.
 
1 Andrin’ny firenena ianao
   Tokin’ny fiangonana,
   Fanasin’ny mpiara-monina,
   Hafalian’ny fianakaviana
 
2 Vonjin’ny tanora ianao
   Iraky ny ankohonana
   Hitory an’ilay fiainana
   Dia i Kristy Andriamanitra
 
3 Tanora namanay ô,
   Miandry  anao ny Tompo,
   Hijoro  handray andraikitra
   Hitondra fiadanana.

Nampiditra hery
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 720
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197