Tsy tandapa sesehena

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza
Na vahoaka an'alinkisa no nihoby
Sy nitsena, fanginana hatrany!

1. Tranon'omby mamanala
No mba lapa nofidiny
Mpiandry ondry:
'Reo no tonga hanotrona Azy.

2. Notadiavin'ny vahoaka
Ho mpanjaka an-tany Izy
Fa niery
Hafa ny azy no hanjakany!

3. 'Zay no didiny tsy lefy
Ny ho tia 'reo fahavalo
Ary isika
Hiezaka mba hifankatia

4. Ary ny Hazofijaliana
Nanehoany ny fitiavany
'Sika kosa
Dia antsoiny hanaraka azy.

5. Ary ho setrin'izany
Dia nasandratry ny Rainy
Ka nomeny
'Lay anaram-boninahitra

6. Amin'ny andro farany any
Dia hiseho hamiratra izy
Ka hiantso
'Reo handova ny fanjakany.

Nampiditra hery
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 160
Fihirana Hasina p. 742
Vavaka sy Hira p. 664
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171