Ny taranak'olombelona

1. Ny taranak'olombelona
Samy azom-pahotana, ô ry Ray
Hontsa ianao nahita izany!
   Indro ianao nampanantena fa tarana-behivavy
   No hanamontsana tanteraka ny lohan'ilay ratsy,
Sy hitondra Famonjena.
Hafaingano re ny fahatongavany! (Jen. 1, 15)

2. Fa ny firenen-drehetra
Ndreo nanompo zava-poana eto an-tany
Hontsa ianao nahita izany
   Indro ianao nampanantena fa taranak'i Abrahma
   No voafidy ho fanasoavana ny firenen-drehetra
Hanavotana 'zay mino.
Hafaingano re ny fahatongavany! (Jen. 12, 2-7, Gal. 3, 16)

3. Fa ny zanak'olombelona
Tsy nahita 'zay hombàna, ô ry Ray
Hontsa ianao nahita izany.
   Indro ianao nampanantena fa 'lay kintana mazava
   No fanilo 'zay hitarika amy làlam-pah'marinana
Sy fiainan-tsisy fetra
Hafaingano re ny fahatongavany! (Mt. 2, 1-11, Jn. 14, 6)

5. Fa ny zanak'olombelona
Niparitaka toa andry tsisy mpiandry.
Hontsa ianao nahita izany!
   Indro ianao nampanantena fa taranak'i Davida
   No hanangona ny ondry mba hiombona fitia
Ao anaty vala iray.
Hafaingano re ny fahatongavany! (Mk. 6, 34 - Ez. 34 - Jn. 10 

5. Fa ny zanak'olombelona
Nanalavitra ny tavanao, ry Ray,
Hontsa ianao nahita izany!
   Indro ianao nampanantena an'ilay Emanoela
   Andriamanitra nomena hiarahan'izy ireo,
Tsy handao hatrany hatrany
Hafaingano re ny fahatongavany! (Iz. 7, 14; Mt. 1, 23) 

6. Fa ny zanak'olombelona
Tsy nihevitra hipoiran'ny Mpamonjy.
Hontsa ianao nahita izany!
   Indro ianao nampanantena fa Mpanjaka avy any ambony
   'Lay hatera-behivavy amin'ny herin'ny fanahy
Ka andrasana tsy miato.
Hafaingano re ny fahatongavany! (Dan. 7, 13-14)

Nampiditra hery
Sokajy Fiaviana
Ankalazao ny Tompo p. 300
Fihirana Hasina p. 654
Vavaka sy Hira p. 661
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009