Midina re, ry Mpamonjy

Fiv: Midìna re, ry Mpamonjy avia.
Miandry izahay, ry Mesia.

1. Aza tsarovanao ny helokay,
Toneo ny hatezeranao.
Fa nataonao ireo razanay,
Ka amindrao fo fa zanakao.

2. Tsy mba madio ho mendrika koa
Na antonona ny fitiavanao
Maro ny ota izay nahavoa
Ka amindrao fo, fa zanakao

3. Hitanao koa ity fahantrana
Mahazo ny mpanomponao
Ianao no hany fanantenana
Ka amindrao fo, fa zanakao.

Nampiditra hery
Sokajy Fiaviana - Fifonana
Fihirana Hasina p. 593
Vavaka sy Hira p. 660
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092