Elisabeth de la Trinité

1-  Masera Elisabeth no fitaratra
Ho antsika rehetra izay te-hafantatra
Vao valo taona monjy Izy dia efa nikasa fa
Hanokan-tena hoe ho an’Andriamanitra
 
Dia resiny avokoa ny toetrany taloha
‘Zay mora tezitra fa tsy mahasoa
Fa ny Karmely no nanintona ny fony
Izay no lalana sy antso avy any ambony

2- Ny hoe Elisabeta : Tranon’Andriamatra
Ho antsika rehetra izay te-hafantatra
Tsy navelany handalo fotsiny izany anarany izany
Fa notanterahany hatramin’ny farafofon’ainy

3- Masera Elisabeth dia tena sambatra
Nahay niorim-paka mafy tamin’Andriamanitra
Ny lanitra ho Azy dia tsy any lavitra any
Fa manomboka sahady, dieny ety an-tany

Tsy naharendrika azy ireo rendrarendra maro
Tsy nanmpaninona azy nandao ireo hava-tiany
Fa ny Karmely no nanintona ny fony

Izay no lalana sy antso avy any ambony
 

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0601