Mitotorebika re ny fonay

Mitotorebika re ny fonay,
Faly midera sy misaotra Anao
Ry Tompo Andriamanitra Mpanjakanay e ka:
 

Mankasitraka, mankatelina,
Misaotra Tompo ô, misaotra Anao izahay
Noho ny fahasoavanao, narotsakao ho anay
Nomenao tamim-po feno fitiavana!

 
1-  Ny ainao Tompo ô!
     Nafoinao ho anay
     Ny rànao sarobidy nalatsakao satria,
     Tianao tokoa izahay,
     Tsy foinao ho very re,
     Ka mihoby Anao Tompo ô!
     Miantsa hoe:
 
2-  Ny vatanao Jesoa
     Nafoinao ho anay,
     Sakafo manome anay ny fiainana,
     Mpamelombelona
     Ny aim-panahinay,
     Ka mihoby Anao Tompo ô!
     Miantsa hoe:

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 883
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091