Jesoa Tompo ô! Nandresy Ianao

1-  Jesoa Tompo ô! Nandresy Ianao !
Nandresy ny herin’ny Maizina,
Itoeran’ny fahafatesana!
Satria nitsangan-ko velona.
Ka manafaka anay amin’ny fatotry ny tahotra
Mba ho afaka mijoro hanambara koa ny marina
 
Velona Ianao, Jesoa!
Mibaliaka Hazavana!
Hazavana todraka Aina
Aina feno avy amin’ny Ray! Aleloia!

 
2- Jesoa Tompo ô! Nitia Ianao !
Nitia anay olombelona
Hatramin’ny fara-fitiavana,
Kanefa nitsangan-ko velona,
Ka manafaka anay amin’ny gejan’ny hoe «Halako!»
Mba ho afa-mifandray amin’ny zandrinao rehetra.

 
3- Jesoa Tompo ô! Tsy tana Ianao !
Namoha ny hidin’ny Fasana,
Nampikipaka ny rangolahy:
Dia indro nitsangan-ko velona.
Ka manafaka anay amin’ny fonjam-pahazarana,
Mba ho vonona hanaraka ny tsiokan’ny Fanahy.

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Jesoa Kristy - Paka
Ankalazao ny Tompo p. 408
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861