Tolotra

1-  Ny vokatry ny tany, ny vokatry ny saha
Atolotray anao, ry Tompo ô
Atolotray rehetra, ho fanatitray
Ho tenan’ilay zanakao
 
Ny tolotray, ry Tompo,
Mba topazo maso
Tsofy rano hamasino e!

Ny tolotray, ry Tompo,
Mba topazo maso

Fa misolo ny tenanay
 
2- Ny hafalianay, ny alahelonay
Atolotray anao, ry Tompo ô
Ny fikezahanay, hamokatra hatrany
Ho voninahitra nahary
 
3- Ny fo sy ny sainay, ny herinay rehetra
Raiso ary anjakao e!
Ny fiainanay tontolo: atolotray Anao
Ho fitiavanay Anao
Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Hasina p. 799
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335