Fanevan’ny Fiangonana sy Sekoly Md Joany XXIII

Fitiavan-dehibe izay feno fanetren-tena
No nanokananao ny fiainanao rehetra
Naparitakao hanenika ireo firenena
Ny fanjakan'Andriamanitra tsy manam-petra.

Ry Md Joany faha telo ambiroapolo
Mpiaro ny Fiangonanay Ianao
Andrin’ny Sekolinay Ianao
Ataovy ao am-ponay
Velomy mandrakizay :

Andriamanitra Tompo Ray
Sy Maria Reninay

Arovy, tahio hatrany ity Fiangonanay ity :
Omeo fahendrena ary fahamasinam-piainana;
Ka ho toa Anao, fankan-tahaka ny fo feno fitia
Ho voninahitr’Andriamanitra tsy manam-petra.

Tohano ary koa ampio ity sekolinay ity :
Hiroborobo hatrany, ka hitondra voka-tsoa tsy lany:
Ny fahendrena, ny fahaizana ary koa ny finoana
Ho reharehan’Andriamanitra ireo mpianatra.

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Olomasina - Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0389