Efa ela izay, ry Jesoa Tompo

1. Efa ela izay, ry Jesoa Tompo
No naniriako hihaonantsika
Koa indro izao 'lay andro soa
Nandrasako 'zay ela izay. (2)

2. Omeko anao, ry Jesoa mamy,
'Zao foko izao mandrakizay:
Sakano izy mba tsy haloto
Hahita anao mandrakizay (2)

3. Masina Maria, Reny malala,
Topazo maso ny zanakao,
Arovy tsara ny fony hadio
Hahita anao mandrakizay (2)
 
 

Nampiditra hery
Fihirana Hasina p. 438
Vavaka sy Hira p. 756
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227