Any an-danitra any no tanànantsika

Any an-danitra any no tanànantsika
Sy iandrasantsika Mpamony, dia i Kristy,
Ilay hanova ny vatantsika
Hitovy endrika amin'ny azy mamirapiratra,
Mamirapiratra. 
(Fil. 3, 20-21a)

(Sal. 136)

1 Teo amoron'ny onin'i Babilônina,
 teo izahay nitorovoka tamin'ny tany,
 Nitomany fa manina ilay Siôna.
 Tamin'ny hazomalahelo teny ho eny
 No nahantonay, ho'aho ny lokanganay.
 ny lokanganay.
 
2 Fa nangataka hira ireo mpandresy anay,
 Ka nanery anay hifaly ireo mpampahory
 Hoe: "Kaloy aminay ny hiran'i Siôna".
 Fa hataonay ahoana àry ny fihira
 Izany hiran'ny Tompo any an-tanin'olona?
 any an-tanin'olona?
 
4 O! ry Jerosalema ô, sanatria,
 Raha toa ka izaho no hanadino anao,
 Dia ny tanako havanana aoka halemy.
 Izany lelako hiraikitra an-danilaniko
 Raha hoe ka izaho tsy hisaina anao,
 tsy hisaina anao.
 
4 Raha toa tsy ilay Jerosalema koa
 No hatao faratampon'ny fifaliako,
 Dia ny tanako havanana aoka halemy.
 Izany lelako hiraikitra an-danilaniko
 Raha hoe ka izaho tsy hisaina anao,
 tsy hisaina anao.
 
5 Sanatria, tsy isika no hanadino
 Ilay Vohitra masina vaovao,
 Koa tsarovy ny Mpahary miandry antsika any,
 Sy ny Zanaka Mpialoha làlana antsika,
 Ny Fanahy Mpitantana, azo antoka!
 azo antoka!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 442
Fihirana Hasina p. 405
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095