Antsa Rasoamanarivo

Derao sy hobio Andriamanitra!
Fa Masina izy, enim-boninahitra,
Otronin'ny mponin'ny lanitra.
Sambatra e Rasoamanarivo
Eo anivon'ny fahazavan'ny Tompo!
Sambatra e isika izao voafidin'izy Ray
Hanjaka miaraka amin'ny Zanany malalany,
Nantsoiny hatrizay handova ny anarany.
 
1 Sambatra tokoa i Victoire
 (Fa efa nandray) ny satro-boninahitra!
 (Nitsimoka) an-tany lonaka
 (Ny voa) nafafin'izy Tompo:
 (Namokatra) zato heny
 'Lay Teny, noraisiny, nekeny.
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
*Finoana arahin'asa no nasehony,
 (Najorony) teo anivon'ny ankohonany:
 (Niainany) ny fandeferana.
 
 (Tanatin') ny faharetana;
 (Ny hany) nampanjakainy
 Dia ilay Lalànam-pitiavana.
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 
(Valin-kira be:)
 Rasoamanarivo dia vavolombelona:
- Nandray ny Evanjely ho teny mahavelona.
- Isaorana Andriamanitra namolavola azy
- Ho tara-pahazavana eto amin'ny Nosintsika.
- Deraina ny herim-po izay nasehony
- Handravana ny asan'ny haizina.
 Misikìna isika ankehitriny
 Fa manohy ny adin'ny olo-marina.
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 
2 Nandala ny ara-panahy i Victoire,
 (Naneho) fitiavam-bavaka tsy niato,
 (Tahaka) ny ombimanga
 (Miandrandra) loharano velona:
 (Fa raikitra) tao am-pony
 (Ny hitoetra) an-tranon'izy Tompony.
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
*Fa iraka mahatoky i Victoire,
 (Niatrika) lazon'adim-pahavalo:
 (Nangoraka) "ireo tavela".
 
 (Sahala) amin'ny ondry mihahaka,
 (Namondrona) ny Fiangonana
 Voasedran'ny andro fitsapana!
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 
(Valin-kira be:)
 Rasoamanarivo no Ray aman-dReny
- Nampianatra namindra, niasa sy niteny.
- I Masina Maria no Reny nanampy,
- Nandalàny hatrany ny antson'ny Fanahy.
- Ny soron'i Jesoa no nanovozany
- Ilay hery sy fitiavana tsy lefy;
 Niasany hamokaran'ny Fireneny:
 Olom-banona ny zanak'Andriamanitra.
 
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 Ny anarany masina hisaorana anie!   ) (indroa)
 Hisaorana anie ny anaran'ny Tompo! )
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 402
Vavaka sy Hira p. 782
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0994