Ankohonan'Andriamanitra isika!

Ankohonan'Andriamanitra isika! (Ef. 2, 13-16)
 
1 Fa hatramin'izao 'nareo izay lavitra fahiny
 Dia nanjary tonga akaiky noh'ny ran'i Jesoa.
 Avy amin'izy Tompo e ny fihavanantsika!
 Fa isika tsy niombona, nakambany ho iray.
 
2 Ka ny nofony aman-drany no nentiny nandrava
 Ilay efitra nizara dia ny fankahalàna.
 Avy amin'izy Tompo e ny fihavanantsika!
 Ka nofoanany ny didy sy ny fomba aman-dalàna.
 
3 Fa na Jiosy manko isika na hafa firenena,
 Efa sitrany ho iray sy ho olom-baovao.
 Tena mihavana amy Ray 'zao isika roa tonta,
 Fa nakambany ho iray tamin'ny Hazofijaliana.
 
4 Io no nentiny nandrava izay nampifankahala;
 Ary izy Tompo ihany no ahafahantsika,
 Hifanatrika amy Ray, dia isika roa tonta,
 Ao amin'ny Fanahy mampivondrona ho iray.
 
5 Avy amin'izy Tompo e ny fihavanantsika!
 Tsy vahiny intsony isika na olona manjeny,
 Havantsika ny olomasina ary tompon-tany isika:
 Ankohonan'Andriamanitra isika hatram'izao!
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 355
Fihirana Hasina p. 401
Fihirana Vaovao p. 246
Vavaka sy Hira p. 445
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2532