Ankalazao ny Andriamanitrareo

 Ankalazao ny Andriamanitrareo,
 Ry manompon'ny Tompo!
 Ankalazao ny Andriamanitrareo,
 Ry mpanompon'ny Tompo!

 Nataony ho mpisorona manjaka ianareo.
 Nataony ho mpisorona manjaka ianareo.

(Sal. 147)
 
1 Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
 Derao Andriamanitra, ry Siôna.
 
2 Ilay manamafy ny vavahady
 Miahy ireo ankizy ao anatinao;
 
3 Miantoka anao handry fehizay,
 Manetsaka anao mena-bary kanto;
 
4 Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
 Dia teny miriotra tsy hay tohaina;
 
5 Mandatsaka oran-toa volonondry,
 Mamafy fanala mangasohaso;
 
6 Mandraraka ireo vongan-dranomandry,
 Mandefa ny hatsiaka hampivaingan-drano;
 
7 Miteny izy anefa dia miempo ireny
 Mitsonika mora dia lasa rano;
 
8 Nametraka ny hafany ho an'i Jakôba,
 Ny didy aman-tsatany ho an'i Israely.
 
9 Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
 Ny satany manko nafeniny azy.
 
10 Isaory ny Ray izay nifidy antsika,
 Ny Zanaka Teny nomeny antsika;
 
11 Natolony antsika ny fanjakany,
 Satria ny Fanahiny momba antsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 150
Fihirana Hasina p. 400
Vavaka sy Hira p. 380
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091