Ankalazao, ry Jerosalema, ny Zanaharinao

(Sal. 147)

Ankalazao, ry Jerosalema, ny Zanaharinao,
O ry Siôna, ankalazao ny Andriamanitrao:
Izy miambina sy manamafy ny hidy mandanao,
Sy mitso-drano ny zanakao eo ankohonanao.
 
1 Izy mivimbina hiadana hatrany ny tanindrazanao,
 Ataony vokatra ny lohasaha sy tanimbarinao:
 Ary ny teniny efa nalefany ho tonga eto an-tany,
 Ary ny teniny haingam-panidina ka efa henonao.
 
2 Izy mandraraka ny orampanalany toy ny volonondry,
 Izy mandraraka ny andon'ny lanitra eo an-tsahanao:
 Izy manipy ny ambakivakin'ny vongan-dranomandry,
 Izy mamafy ny eri-dririnina ho an-tanimbolinao.
 
3 Izy mandidy ny zava-drehetra miseho amintsika,
 Teniny tokana dia efa nahary ny andro sy ny alina:
 Ary ny teniny efa nalefany tamin'i Jakôba,
 Ary ny didiny amam-pitsipiny efa amin'i Israely.
 
4 Tsy mba nanaovany hoatra an'izany ny firenen-drehetra,
 Tsy nampianariny ireny fitsipika nomeny antsika.
 Dera sy laza ho anao Andriamanitra Zanahary Ray e,
 Toy ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 399
Fihirana Vaovao p. 159
Vavaka sy Hira p. 381
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088