Anjeliko, mpiambina ahy

Anjeliko, mpiambina ahy
Amin'ny fandrik'i Satàna
Arovy tsara anio aho,
Fa mandry izay ambenanao. (indroa)
 
1 Isaorako Andriamanitra
 Fa hatrizay niainako,
 Nomeny anao ho raharaha
 Ny fiarovana ny aiko.
 
2 Sakaizako mpanaraka ahy,
 Tsy mba mandao ny diako,
 Ny tànanao miaro ahy
 Tsy hianjeran'ny manjò.
 
3 Raha mila saina aminao aho,
 Mba ambarao ao am-poko,
 Zay hofidina, 'zay handosirana;
 Mba mamiko ny anatrao.
 
4 Raha resin'alahelo
 'Zaho mitaraina aminao,
 Dia omeo fitahiana,
 Anjeliko malalako.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 397
Vavaka sy Hira p. 624
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905